fp20

20 - NY SABATA

Ilay Mpamorona mikendry izay hahasoa, rehefa avy nahary tao anatin'ny henemana, dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito ary nanendry ny Sabata ho an'ny olombelona rehetra ho tsangambaton'ny Famoronana. Ny didy fahefatra amin'ny lalán'Andriamanitra tsy azo ovana dia mitaky ny fitandremana ny Sabatan'ny andró fahafito ho andró fitsaharana sy fivavahana ary ho fanompoana araka ny fampianarana sy ny fanaon'i Jesosy, izay Tompon'ny Sabata. Andro fifandraisana amim-piravoravoana amin'Andriamanitra sy amin'ny mpino samy mpino ny Sabata. Tandindon'ny fanavotana antsika ao amin'i Kristy izany, famantarana ny fanamasinana antsika, porofon'ny fanekentsika an'Andriamanitra ho Tompo, ary santatry ny hoavintsika mandrakizay any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny Sabata no famantarana tsy miovan'ny fanekena mandrakizay amin'Andriamanitra sy ny olony. Ny fitandremana amim-pifaliana an'io fotoana masina io, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny hariva, avy amin'ny filentehan'ny masoandro ho amin'ny filentehan'ny masoandron'ny ampitso, dia fankalazana ny asa famoronana sy fanavotana nataon'Andriamanitra.

(Gen. 2:1-3; Eks. 20:8-11; Lio. 4:16; Isa. 56:5, 6; 58:13,14; Mat. 12:1-12; Eks. 31:13-17; Ezek. 20:12, 20; Deo. 5:12-15; Heb. 4:1-11; Lev. 23:32; Mar. 1:32)

Miverena