fp12

12 - NY FIANGONANA

Ny fiangonana dia fikambanan'ny mpino izay manaiky an'i Jesòsy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Fitohizan'ny vahoakan'Andriamanitra tamin'ny Testamenta Taloha isika, ka voaantso avy amin'izao tontolo izao; ary mivory mba hivavaka, hanana firaisam-po, hianatra ny Teny, hiara-mankalaza ny Fanasan'ny Tompo, hanompo ny taranak' olombelona ary mba hitory ny filazantsara manerana ny Tany. Avy amin'i Kristy no andrai san' ny Fiangonana ny fahefany, Izy izay Teny tonga nofo, ary avy amin'ny Soratra Masina izay Teny voasoratra. Ankohonan' Andriamanitra ny fiangonana, natsangany ho zanany, ary   mambra   ao   Aminy,       mivelona   araka ny fanorenan'ny fanekena vaovao. Tenan 'i Kristy ny Fiangonana, fiombonan'ny mpino ka i Kristy mihitsy no Lohany. Ny Fiangonana no ilay ampakarina izay nanoloran'i Kristy ny ainy ho amin'ny fahafatesana mba hanamasinany sy hanasany azy. Amin'ny fiverenany amim-pandresena, dia hanolotra azy ho an'ny Tenany Izy ho Fiangonana be voninahitra, dia ireo mahatoky nandritra ny taona nifandimby, izay novidiny tamin'ny rany, ary tsy misy pentimpetina na fiketronana.

Gen. 12:3; Asa. 7:38 ; Efes. 4:11-15; 3:8-11 ; Mal 28:19, 20; 16:13-20; 18:18; Efes. 2:19-22; 1:22, 23; 5:23-27; Kól. 1:17, 18)

Miverena