fampidirana ss 4t

Ny Filazantsara ao amin'ny Galatianina

Carl P. Cosaert

Noharina ho toy ny "dinamita" mipoaka ho fanairana ny ara-panahy ny taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Galatianina, ary hita fa marina tokoa izany. Tsy misy boky hafa (ankoatra ny Ròmanina) ao amin'ny Baiboly ka mampivoitra miharihary ny fifohazana sy ny fanavaozana ara-panahy lehibe tokoa. Mety hilaza ny olona iray fa ireo takila ao amin'ny Galatianina (miaraka amin'ny Ròmanina) no nipoiran'ny foto-kevitra pròtestanta. Teo am-pamakiana ny Epistily ho an'ny Galatianina mantsy i Martin Luther no indro tohina ny fony nandre ny vaovao mahafaly sady be voninahitra momba ny fahamarinana azo amin'ny alalan'ny finoana. "Epistiliko", hoy izy, "ny Epistily ho an'ny Galatianina. Ary raisiko ho toy ny vadiko mihitsy aza izany".


Etsy an-danin'izany, ny asasoratr'i Luther izay mifototra amin'ny fílazantsara no nanova ny fiainan'i John Wesley tamin'ny 24 Mey 1738 tany Londre, Angletera, ary io lehilahy io no nitarika ny fanavaozana ara-panahy izay niely nanerana ny Nosy britanika sy ny tany miteny anglisy rehetra maneran-tany.
Tokony hahay mankasitraka ny bokin'ny Galatianina ihany koa isika advantista. Tamin'ny nandalinana ny Galatianina nandritra ny taona 1880 sy 1890 mantsy no nahafahan'i E. J. Waggoner sy A. T. Jones nanampy ny advantista ka nahafantarana indray ny tena fahamarinana azo avy amin'ny finoana.


Inona marina moa no resahin'ity Galatianina ity ka nahatonga azy ho toy ny hazon-damosina iankinan'ny fanavaozana ara-panahy? Nahoana izyio no dia nanohina fon'olona maro? Tsy toy ireo boky hafa ao amin'ny Baiboly ny Galatianina, fa mitondra lohahevitra maro izay sarobidy ho an'ny fiainam-panahin'ny Kristianina tokoa izy. Ao amin'ny Galatianina no itondran'i Paoly olana maromaro toy ny olana momba ny fahafahana, ny asan'ny lalàna eo amin'ny famonjena, ny toetoetr'izany hoe fiainana tarihin'ny Fanahy, ary eo ihany koa ilay fanontaniana efa nipetraka hatramin'ny eia, manao hoe: fomba ahoana no hanamarinana ny olona be fahotana eo anatrehanHay Andriamanitra masina sady marina?
Tsy azo lavina fa miresaka momba ny sasany amin'ireo olana ireo koa ny boky hafa, toy ny Romanina, saingy hafa noho ny hafa ny Galatianina. Tsy vitan'ny hoe voafantina kokoa izy, fa ireo lohahevitra ao aminy dia nosoratana avy tamin'ny feo manokana, sady mafonja no feno hafanam-po, izay tsy manampy ny olona fotsiny ihany, fa manakatra tanteraka ny fony hisokatra ho amin'ny Fanahin'Andriamanitra, eny, na izao anio izao aza.


Na miresaka amintsika manokana aza ny taratasy nosoratan'i Paoly, dia hihamarim-pototra kokoa ny fahalalantsika raha fantatsika ny tena tantarán'ilay toe-javatra nambaran'i Paoly voalohany teo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina.
Manam-pahaizana maro nomino fa ny Galatianina angamba no taratasy nosoratan'i Paoly voalohany indrindra, tamin'ny taona 49 TrK tany ho any; izany hoe, taorian'ilay fivoriambe natao tao Jerosalema (Asa. 15). Ny Galatianina angamba no tahirin-kevitra kristianina anisan'ny taloha indrindra. Araka ny anazavan'ny Asan'ny Apóstóly sy ny Galatianina azy, dia tao anaty ady mihatra aman'aina tokoa ny fiangonana voalohany nanoloana ny fepetra takina hahazoana famonjena, indrindra fa ny tranga mikasika ny Jentilisa. Raha ny voalazan'ny antokon'olona jiosy izay fantatra amin'ny anarana hoe "Mpanaraka ny fivavahana jiosy" mantsy, dia tsy ampy ho an'ny Jentilisa ny finoana an'i Jesósy fotsiny. Tsy maintsy forana sy mitandrina ny lalàn'i Mosesy ihany koa ny Jentilisa, hoy izy (Asa. 15:1). Tsy mahagaga araka izany raha nihazakazaka tany Galatia iretsy Jiosy iretsy mba hifandamin-dresaka rehefa nanorina fiangonana ho an'ny Jentilisa tao amin'io tanàna io i Paoly.


Nentanin-kafanam-po i Paoly vantany vao nandre izany resaka izany. Nanoratra taratasy mahery vaika ho fiarovana ny filazantsara tamin'ny Galatianina izy rehefa hitany fa manozongozona ny asan'i Kristy ny filazan-diso momba ny famonjena azo amin'ny finoana sy ny asa izany, Tamin'ny fiteny mafonja dia mafonja no nilazany fa fanarahan-dalàna rano fotsiny no fonosin'io fampianaran-diso io.
Manasa antsika hiara-mandeha amin'i Paoly apóstóly ny lesona amin'ity telovolana ity, no sady hahita ny niangaviany fatratra an'ireo mponina galatianina mba hitoetra ho marina amin'i Jesósy.Etsy an-daniny dia fotoana mety indrindra ho antsika hifantohana amin'ny fahalalana ny filazantsara no omen'ity lesona ity. Inoana sy antenaina fa hitondra fanavaozana ara-panahy ho antsika tsirairay avy ny lesona mandritra ity telovolana ity, sady hahalalantsika izay nataon'Andriamanitra ho antsika tamin'ny alalan'i Kristy.
*Mpampianatra mpikaroka momba ny Testamenta Vaovao sy ny fiangonana kristianina voalohany i Carl Cosaert. Mampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Walla Walla any Washington, Etazonia.izy ankehitriny.

1.
25 Septambra - 01 Oktobra
2.
02 - 08 Oktobra
3.
09 - 15 Oktobra
Iray ny filazantsara
4.
16 - 22 Oktobra
5.
23 - 29 Oktobra
Ny finoana ao amin'ny testamenta taloha
6.
30 Oktobra - 05 Novambra
7.
06 - 12 Novambra
Lalana mitondra eo amin'ny finoana
8.
13 - 19 Novambra
9.
20 - 26 Novambra
Antso avo ataon'i Paoly
10.
27 Novambra - 03 Desambra
Ireo fanekena roa
11. 04 - 10 Desambra Fahafahana ao amin'i Kristy
12.
11 - 17 Desambra
Velona araka ny fanahy
13. 18 - 24 Desambra Ny Filazantsara sy ny fiangonana
14. 25 - 31 Desambra Mirehareha noho ilay hazo fijaliana

 

Telovolana manaraka
 TOPI-MASO MOMBA AN'ANDRIAMANITRA